Vola manodidina ny dimy tapitrisa Ariary mahery teo ho eo no nangalaran’ity lehilahy iray tamin’ny mpampiasa azy tany Mananara Avaratra. Nitsoaka avy hatrany nihazo ny renivohitra ingahirainy, saingy voapaingotra tetsy Ambodivona, taorian’ny angom-baovao samihafa voarain’ny pôlisy. Araka ny fampitam-baovao azo dia ny alin’ny 10 novambra lasa teo no nitrangana halatra tao amin’ny tranombarotra iray tao Mananara Avaratra tao. Very tamin’izany ny vola mitentina valo hetsy sy dimy tapitrisa Ariary. Nametraka fitarainana avy hatrany ny tompon’ny tsena ny ampitson’io ary niantefan’ny ahiahy avy hatrany ny mpiasa iray tao an-toerana. Tamin’io fotoana io ihany dia efa nandeha ny fikarohana ity lehilahy ity, izay raha ny voalaza dia tsy tonga niasa intsony ary tsy hita tany nanjavonana taorian’ny tranga. Herinandro taty aoriana, taorian’ny fikarohana fatratra ary nandefasana ny sarin’ity olona nohiahiana tamin’ny biraon’ny pôlisy rehetra dia fantatra fa efa tafiakatra taty an-drenivohitra ingahirainy. Taorian’ny angom-baovao isan-karazany dia hita tetsy amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse tetsy Ambodivona ingahy. Tsy fantatra aloha hatreto na saika mbola handeha hiafina tanteraka any ambanivohitra na vao tonga. Nosamborina avy hatrany izy ary nentina notanana tetsy amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo tetsy Antaninandro, alohan’ny hameranana azy any Mananara Avaratra, ho tohin’ny famotorana. Ary aorian’izay ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L





