- Publicité -
vendredi, novembre 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOniversten’i Barikadimy Toamasina : Nijery ifotony ny zava-misy ny mpanolotsaina avon’ny fanavaozana...

Oniversten’i Barikadimy Toamasina : Nijery ifotony ny zava-misy ny mpanolotsaina avon’ny fanavaozana ny repoblika

Tonga nijery ifotony ny zava-misy iainanan’ireo mpianatra tao amin’ny oniversten’i Barikadimy Toamasina, izy roa lahy mpanolotsaina eo anivon’ny fanavaozana ny repoblika. Hita tamin’izany ny kolonely Rabearimanana Lucien sy ny kolonely Andriamiarisoa Gervais, izay nijery ifotony sy nanadihady ny zavatra misy marina tao amin’ny oniversiten’i Barikadimy, natrehin’ny minisitry ny mponina sy ny firaisankina, ary ireo olo-manakaja maro avy eto Toamasina sy Antananarivo. Tamin’izao fitsidihana izao no niainany ireo olona maro lafy iainan’ny mpianatra sy ny mpampianatra ary mpandraharaha eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy. Nilaza ireto mpanolotsaina ny fanavaozana ny repoblika roa lahy ireto fa hitondra ny hetahetan’izy ireo ho any amin’ny tompon’andraikitra sy ho any amin’ny filohan’ny fanavaozana, mba hahafahana mandray ny fepetra samihafa ho famahana izany. Efa eo andalam-pametrahana ihany koa ireo fitaovana samihafa anjaran’ny oniversiten’i Barikadimy, ka hahazo izany avokoa ireo mpianatra miperaka amin’ny Campus rehetra. Nisy ny fidinana nijery ireo olan’ny mpianatra teny amin’ireo trano fonenany sy ny manodidina rehetra, ary Campus manontolo mihitsy. Vonona hanatsara  izany ny fanjakana mijoro amin’izao fotoana, mba ho tontolo maha-te honina no hianaran’ny mpianatra. Nisaotra ny fahavononan’ny fanjakana ny oniversiten’i Toamasina ao anatin’ny toky ny fanatsarana, mikasika ny Campus-n’ny oniversiten’i Toamasina. Ankoatra izany dia nijery ifotony ny mikasika ny taom-piotazana letisia izy roa lahy miaramila mpanolotsaina. Hanomboka ny 20 novambra izao amin’ny 03 ora folakandro izany taom-piotazana izany, izay ny amin’ny vidiny akan’ireo mpanondrana azy 2.150 ariary.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici