- Publicité -
vendredi, novembre 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndranomadio Toamasina : Nitrangan’ny haitrano vao maraina

Andranomadio Toamasina : Nitrangan’ny haitrano vao maraina

Trano fiompiana akoho mpanatody lava sy  fakana nofony tao Andranomadio parcelle 11/42 no niharan’ny famaizana vao maraina tokony ho tamin’ny 08 ora sy 15min. Tao anatin’ny fanombohana ny asa tanamaro niarahan’ny kaominina sy ny ministera ny mponina no nitrangan’izany fahamaizana izany. Tonga aloha ny sampana mpamonjy voina sy haintranon’ny kaominina, saingy teritery ny toerana mankeny amin’ilay nitrangan’ny fahavoazana ka teny amin’ny 70m tany ho any izy ireo niantsona. Nampiasa ny fantsona lavabe ny sampana mpamonjy voina sy haintrano izy ireo. Nandritra ny fahamaizana dia trano lava be iray misy mpanofa manana efitra efatra no kila forehitra sy trano iray misy fiompiana akoho mpanatody lava sy fakana nofony ihany koa. Araka ny filazan’ireo olona tratran’izany fahamaizana izany dia kaontera nipoaka no nahatonga ity firehetana, na samy manana ny kaonterany azy ireo mpanofa trano sy ireo mpiompy, hoy ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina sy haintranon’ny kaominina. Fantatra fa ahoko 150 teo ny may kila nandritra izany sy fiaovana fampangatsiahana  maro koa no potika kila tao anatin’izany. Saika nanao ilay asa tanamaro nokarakarain’ny fanjakana sy ny kaominina ireo olona tamin’ilay trano mihofa, ka fikoropahana ny azy ireo nahita izany mba hamonjy ny entana tao an-trano fa tsy nisy avotra intsony izany ny hamafin’ny afo. Nanao izay ho afany tamin’ny fanavotana ireo trano manodidina sy ilay trano efa nirehitra ny mpamonjy voina sy haintrano, ka ny maty ihany ny afo ora vitsy taorian’ny firehetany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici