Nisokatra nanomboka omaly alakamisy ny fivoriana ara-potoana faharoa tamin’ity taona 2025 ity ho an’ireo mpikambana ao anatin’ny filankevitry ny tanànan’i Toamasina. Miteraka resa-be eny anivon’ny tambajotra sosialy ny fisian’ny lahadinika amin’ny fangatahana hanomezana fitantanana ny gymnase Arena ho eo am-pelatanan’ny fiadidiana ny kaominin’i Toamasina. Olona maro sahady no mitsivalana noho ny fahatsapàna fa efa nitondra fahapotehan’ny foto-drafitrasa maro izany. Noraisin’ny vahoakan’i Toamasina ohatra ny momba ny stadium Barikadimy izay nomena ny kaominina ny fitantanana azy ary hita maso fa miharatsy andro aman’alina ny toerana. Isan’izany tsikaritra ireo fitaovana ao anatiny efa simba be nefa tsy mba misy fanamboarana hatreto. Eo koa ny loto isan-karazany noho ny tsy fisian’ny fikarakarana. Ny kianja mitafo Soavita indray izay mbola ambany fitantanan’ny kaominina koa dia zara raha misy jiro. Ny efitrano fivoahana efa mampitsoaka ireo mpampiasa azy. Tsy tian’ny vahoakan’i Toamasina ho tonga amin’izany indray ny gymnase Arena ka tsy tokony hoekena ny fametrahana ny fitantanana ankoatra ny sehatra tsy miankina tahaka ny misy azy ankehitriny. Takiana kosa anefa, raha araka ny soso-kevitra etsy sy eroa ihany, ny tokony hisian’ny fandrotsaham-bola amin’ny ampahany amin’izay vola miditra ao amin’ny Arena mba ho ao amin’ny kitapom-bolan’ ny kaominina. Orinasa ao Toamasina ary mpitantana mahay satria hita miharihary ny voka-pitantananan’ny mitondra ny Arena ankehitriny. Tsy tokony hisy fanovàna izay zavatra mba mandeha sy mihodina, hoy ny olona.
D.R





