Nanao fanamparam-pahefana tao amin’ny toeram-pisotroana ireo mpitandro ny filaminana roa lahy. Naka vola, nitifitra. Tezitra ny olona…
Tezitra ny olona noho ny nafitsok’ireto miaramila mitam-basy. Vao nanomboka ny taona dia efa feom-basy no niainana tao Miandrivazo ny alarobia teo, andro voalohan’ny 2014. Niditra tao amin’ny trano fisotroana ireo miaramila roa izay rehefa nohamarinina dia miasa eo anivon’ny “Détachement Autonome de Sécurité” (DAS) ao amin’ny kaominina Anosimena. Raha araka ny fitantaran’ireo olona dia noteren’ireo hanome labiera miisa enina sy vola mitentina 150.000 ariary ny mpivarotra. Tsy afa-nanoatra satria olona mitam-basy no manoloana ny tena. Efa mamo ireo miaramila ary niampy ny labiera enina, vao mainka niakatra ny toaka. Voatery natao izay sitrapon’ireo ary nomena ny vola nangatahina. Tsy nijanona teo ny herisetra fa mainka koa niiatatra : notifirin’ireo ny mpivarotra tao amin’ilay toeram-pivarotana. Olona roa no indray niantefan’ny bala. Ny iray dia vehivavy 31 taona ary lehilahy kosa ny faharoa. Raha ny fanamarihana azo hatrany dia mpihavana ihany izy ireo. Nitsoaka ireo miaramila taorian’izay saingy nanaitra ny olona ny feom-basy hany ka vetivety dia vory ny teo an-tanàna. Nivadika tanteraka ny rasa : natao ny fanarahan-dia ireo miaramila. Fotoana fohy avy eo dia voasambotry ny olona ny iray. Tezitra ireo fokonolona ka nanao habibiana tsy roa aman-tany. Notetitetehan’ireo tamin’ny famaky ilay mpitandro ny filaminana. Ilay miaramila faharoa kosa afa-doza aloha hatreto satria tsy hita ny toerana nitsoahany. Mbola mitohy manara-dia azy ny olona hatramin’ny omaly, toa ireny misambotra dahalo ireny mihitsy, raha ny vaovao avy any an-toerana. Ireo naratra kosa, izany hoe ireo tompon’ny bar, dia nentina tany Antsirabe mba ho fanavotana ny ainy. Mbola mitohy ny fitsaboana azy ireo ao amin’ny hopitaly Loterana Andranomadio, ao an-drenivohitry Vakinankaratra. Efa tonga aty amin’ny tompon’andraikitra ambony aty an-drenivohitra ny tatitra momba ity zava-nitranga tany amin’ny fokontany Ampihiaka, Anosimena-Miandrivazo ity. Andrasana ny mety ho fivoaran’ny raharaha.
D.R