- Publicité -
samedi, novembre 22, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversDistrikan’i Mananara avaratra : Nampidirina am-ponja vonjy maika ny lehibe mpitantana ny...

Distrikan’i Mananara avaratra : Nampidirina am-ponja vonjy maika ny lehibe mpitantana ny fonja

Nanaovana famotorana ary nahiditra vonjoy maika ny 18 novambra teo ny lehiben’ny fonja  (chef d’établissement na CE ) ao Mananara avaratra, raha efa voasambotra ny volana jolay lasa  teo ary efa nanaovana fanadiadiana tao anatin’izany. Ny fiampangana sy nidirany am-ponja izao ny firaisana tsikombakomba tamina voafonja ka namoaka azy ireo tao am-ponja. Miisa roa lahy izy ireo tamin’izay izay voafonja noho ny heloka bevava vitan’izy ireo tany an-toerana. Ny volana jolay teo anefa dia nitrangana fanafihana ireny « cash-point » ireny tao Mananara avaratra, ka nahavoatifitra olona iray mpanao izany ary nentina notsaboina teto Toamasina noho ny fahavoazana mafy ka tsy tana ny ainy tao anatin’izany. Ireto roalahy ireto no voaroiroy nanao izany, ka raha nojerena tao am-ponja tokoa dia sy tao izy ireo fa efa nivoaka ny fonja. Tsy hita izy ireo tao anatin’izany ka raha nandeha ny fanadiadiana ny namoaka ireto voafonja nanjavona dia nivoaka ny anaran’ilay lehiben’ny fonja tao Mananara avaratra, ka teo raha nandalo fitsarana ny raharaha dia izao naiditra am-ponja vonjy maika izao ny tenany. Ireto roalahy mpanao heloka bevava mbola karohan’ny zandary ao Mananara avaratra ireto dia namoahana fikarohana ankehitriny, ka toy izao ny mikasika azy ireo. Voalohany ingahy Alexandre mipetraka ao Inara kaominina ambanivohitry Antanananivo, ary efa tafiditra tamin’ny asa ratsy maro toy ilay nitranga tao Ifasina sy Sandrakatsy. Ny faharoa dia ingahy Léance izy kosa mipetraka ao Ambitsika Mananara avaratra ka izy no nambara fa nikotroka ilay fanafihana natao ity. Mikaroka azy ireo ny  zandary nanao ny fanadiadiana sy fikarohana momba ny raharaha fanafihana « cash point » nahafaty olona ity, ka izay mahita na mahatsikaritra azy ireo mba ampandre ny tobin’ny zandary akaiky azy.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici