- Publicité -
mardi, novembre 25, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAlasora : Zaza roa maty notsindromin-drainy antsy

Alasora : Zaza roa maty notsindromin-drainy antsy

Tao anatin’ny torimaso tanteraka no nahafatesan’ireo zaza roa, izay zanak’ilay lehilahy voarohirohy ihany. Araka ny loharanom-baovao eo an-toerana dia nisy ady an-tokantrano mafana nialoha kelin’ny nitrangan’ny loza. Tsy mbola mazava tanteraka hatreto ny tena antony nahatonga azy nanao izao asa feno habibiana izao, saingy heverina fa fipoahan-tevitra tampoka taorian’ny fifandirana no nitarika azy tamin’izao heloka bevava mampivarahontsana izao. Hatreto, fantatra fa niady mafy izy mivady tamin’io alina io. Vantany vao tezitra sy tsy nahafehy tena ilay raim-pianakaviana, dia ny zanany tsy manan-tsiny indray no lasibatra. Notsindroniny antsy ireo zaza mbola kely, ary tsy afa-niaro tena akory noho ny torimasony. Tamin’iny alin’ny Alahady loza iny ihany dia tonga haingana ny mpitandro ny filaminana taorian’ny filazana voarainy. Nanao fisamborana avy hatrany ry zareo ary nitondra ilay lehilahy voatonona ho mpamono olona mba hanokafana fanadihadiana sy hanadihadiana lalina ny toe-javatra. Nijery sy nanaovana fizahana ifotony ihany koa ny toerana nitrangan’ny raharaha mba hanangonana porofo sy hanazavana bebe kokoa ny antony sy ny zava-nisy marina. Raha ny vaovao vonjimaika azo, dia mbola mitohy ny fanadihadiana, ary andrasana ireo fanampim-panazavana avy amin’ny manam-pahefana hisongadina amin’ny famaritana mazava ny antony sy ny fandehan’ny raharaha. Tsy dia fahita matetika ny tranga toa izao ary mampanontany tena ny maro ny tena antony nandrisika ilau nahavanon-doza.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici