Afaka noho ny fisalasalana ny 24 amin’ireo olona 28 voasambotra nandritra ny hetsiky ny Gen Z. Nivoaka androany ny didy navoakan’ny fitsarana, izay namoaka didy mavesatra kokoa ho an’ireo voampanga sasany. Nohamafisin’ny mpitsara fa tsy nisy porofo ampy hanamelohana ireo 24, na dia voasambotra nandritra ny savorovoro aza izy ireo. Noho izany dia navelan’ny fitsarana handeha malalaka izy ireo, noho ny fisalasalana araka ny lalàna mifehy ny paika ara-pitsarana. Ho an’ireo efatra hafa kosa, izay voalaza fa tratra niaraka tamin’entana heverina ho vokatr’ilay halatra niseho nandritra ny hetsika, dia sazy miantona enim-bolana no nohamafisin’ny fitsarana. Midika izany fa tsy hiditra am-ponja avy hatrany izy ireo, fa voaantso hanaraka fitsipika hentitra mandritra io fe-potoana io, ary mety hampiharina avy hatrany ilay sazy raha misy mandika lalàna indray izy ireo olona. Izay ny momba ireo sivily izay nosambosamborina tamin’ireny vanim-potoana mafana ireny fa kosa mbola mametram-panontaniana ny maro ny amin’ireo mpitandro ny filaminana izay nampiasa hery tsy mifandraika amin’ny asany kanefa toa miriaria toa ny tsy nisy na inona na inona ankehitriny. Ho an’ny manam-boninahitra lehiben’izy ireo dia maro no nafondra toeran-kasa fa ireo tena nanatontosa ny tsy mety dia mbola hita manao ny asany andavanandro. Betsaka anefa ny raki-tsary manaporofo ny zava-bita ratsin’izy ireo. Mbola miandry ny olona…
D.R





