
Tapaka ny làlana, tapaka ihany koa ny herinaratra. Nisy ny naratra. Izay no zava-nitranga tetsy Anjomakely vokatry ny fialàn’ny milina teny ambonin’ny kamiao izay nitatitra azy. Ireny masinina fangoahana tany mba hahazoana rano (machine à forage) ireny no niala ary nivadika tany amin’ny sisin-dàlana. Ireny kamiao “porte-char” ireny kosa no nitatitra azy. Naratra ny mpamily ary tapaka ny làlana. Na izany aza anefa mba azo nahetsika ihany ny kamiao ary mba vetivety dia nisàva ihany ny fitohanana. Ilay fitaovana kosa dia nifampisintomana tamin’ny kamiao hafa izay nafarana mba nahafahana nanala azy teo an-toerana. Voatery nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana ny mpamily mba hanavotana ny ainy. Nanokatra fanadihadiana momba ity tranga ity ny zandary eo anivon’ny borigadin’Andoharanofotsy izay miadidy ny faritra nitrangan’ny loza. Amin’ny andro antoandro no niseho ny lozam-pifamoivoizana ary soa aza fa tsy mba niteraka famoizan’aina. Raha nisy kodiaran-droa sendra nisongona fotsiny ohatra ny kamiao dia efa mety ho ratsy ny zava-nisy. Ny tranga toa izao dia tokony hiverenan’ny fandraisana fepetra indray ny amin’ny ora fivezivezen’ny fiarabe. Ankehitriny dia tsy misy mampihatra intsony ny didim-pitondràna samihafa noraisin’ny kaominina momba ny fandraràna izany tsy handeha amin’ny antoandro. Efa miverina baranahiny tanteraka izany ankehitriny ary sady manelingelina ny fifamoivoizana no mety hitera-doza ihany koa.
D.R





