- Publicité -
vendredi, novembre 28, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndriamena – Betsiboka : Nivoaka tamin'ny fahanginana ireo mpanara-dia sy nifidy an'Atoa ben'ny...

Andriamena – Betsiboka : Nivoaka tamin’ny fahanginana ireo mpanara-dia sy nifidy an’Atoa ben’ny tanàna am-perinasa

Manoloana ny zava-nitranga mahakasika ny hetsi-bahoaka nandritra ny andro  alakamisy indroa nisesy lasa teo iny, amin’ny fanalanna an’Atoa ben’ny tanàna am-perinasa fantatra amin’ny fiantso hoe Zama Sitraka, dia nivoaka tamin’ny fahanginana ireo mpanara-dia sy nifidy azy, nandritra ny fifidianana kaominaly farany teo, any amin’ny kaominina ambanivohitra Andriamena, disitrikan’i Tsaratanàna, faritra Betsiboka. Araka nambaran’ireo olombelona mpanara-dia sy nifidy an’Atoa ben’ny tanàna, raha ny tena zava-misy marina ao Andriamena dia miaiky ny vahoaka amin’ny asa fampandrosoana goavana efa vitan’ny ben’ny tanàna, tao anatin’ny fito volana nitondrany. Saingy tsy marina, hoy ireto farany ny filazana fa mangidy hoditra eny anivon’ny fiaraha-monina i Zama Sitraka, sady tsy misy an’izany fanodinkodinam-bolan’ny kaominina izany ihany koa. Zavatra foronina hanakorontanana saim-bahoaka fotsiny ny an’ireo mpiralahy mpiray tampo nilatsaka tamin’ny anaran’ny vovonana Irmar sy AVI, izay nifaninana tamin’Atoa ben’ny tanàna am-perinasa nandritra ny fifidianana kaominaly teo iny. Izy roa lahy ireo ihany koa no voalaza fa mitarika sy maniraka an’ireo mpanao fihetsiketsehana miisa telopolo hanongana an’i Zama Sitraka, ben’ny tanànan’ny kaominina Andriamena ankehitriny.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici