- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAntanandrano : Efadahy nitondra sabatra nanafika mpivarotra

Antanandrano : Efadahy nitondra sabatra nanafika mpivarotra

Ny marainan’ny zoma tokony ho tany amin’ny 2 ora, notafihana jiolahy miisa efatra nitondra sabatra ny fivarotana iray teny Antanandrano, kaominina Ankadikely. Lasan’ireo mpangalatra tamin’izany ny vola 40 000 ariary sy ny entana maro tao amin’ilay tsena. Vao tonga ireo olon-dratsy dia nanambana sabatra ny tao an-trano. Tsy nisy sahy nihetsika, hoy ny vaovao voaray. Ny vola no notakian’izy ireo. Tsy nisalasala moa ny tompon-trano namoaka izany. Ny vaovoa hatrany no nahalalana fa tsy nanaiky ireo mpandroba fa nitady ambonin’izany. Tsy nisy ankoatra ireo anefa. Rehefa tsy afapo ireo bandy efatra dia nasainy nandohalika ireo rehetra tao an-trano. Rehefa izany, nalainy izay entana zakany tao an-tsena. Azony izany zavatra rehetra izany, lasa nandeha ry zalahy. Afaka fotoana elaela vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana ireo voatafika. Efa tsy tratra intsony anefa ireo mpandroba.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser