- Publicité -
mercredi, décembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSakaraha : Ombiasy nitondra voamason'olona nosamborina

Sakaraha : Ombiasy nitondra voamason’olona nosamborina

Nampisavorovoro ny mponina tany Ankatsakatsa, fokontany Sakaraha Bas, distrikan’i Sakaraha, ny nitranga ny alahady lasa teo. Tokony ho tamin’ny fito ora maraina no nahazoan’ny zandary antso avy amin’ny olona telo avy any Ejeda sy Androka, izay nivezivezy ao an-toerana nitondra zavatra hafahafa heverina fa ho amidy. Nidina ifotony avy hatrany ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fanangonana vaovao. Natao ny vela-pandrika, ka tratra teo am-panaovana fividianana an-tsokosoko ilay iray amin’ireo olona nampiahiahy. Rehefa nosavaina dia kitapo kely iray nahitana voamason’olombelombelona no hita tao aminy. Tsara pirina izany ary porofo fa tsy kisendrasendra akory ny nitondrany azy ireo. Rehefa nentina nankeo amin’ny mpitsabo tompon’andraikitra ao Sakaraha dia voamarina tanteraka fa tena mason’olombelona tokoa ireo hita tao anaty kitapo. Iray no voasambotra ary ny roa kosa mbola karohina fa afa-nandositra. Araka ny tatitry ny mpanao fanadihadia dia fantatra fa ombiasy avy any Andranoabo Nord, kaominina Beahitsy, distrikan’Ampanihy Andrefana ilay voasambotra. Mitohy tsy ankiato ny fanadihadiana mikasika ny niavian’ireo voamaso, ny tambajotra mety ho ao ambadik’ity raharaha ity, ary indrindra ny fikarohana ireo lehilahy roa tafaporitsaka.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici