- Publicité -
mercredi, septembre 9, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoavina : Efa-mianaka maty nihotsahan’ny trano

Soavina : Efa-mianaka maty nihotsahan’ny trano

Tokony ho tamin’ny 11 ora 30 alina, ny alakamisy teo, no nitranga ny loza tetsy amin’ny kaominina Soavina, fokontany Ambihivy, distrikan’Atsimondrano. Vokatry ny oram-be nifafy sy nikija nanomboka hatramin’ny hariva dia nihotsaka tampoka ny trano fonenan’ny fianakaviana iray. Namoy ny ainy ireo efa-mianaka tao anatiny. Araka ny vaovao avy eny an-toerana, maty tsy tra-drano ny ray aman-dreny sy ny zanak’izy ireo roa izay mbola kely. Ny iray roa taona ary iray vao herintaona monja. Nanao ny farahery tamin’ny ezaka ny mpiara-monina sy ny mpamonjy voina ary efa hita avokoa ireo olona saingy indrisy fa vatana mangatsiaka sisa. Sady nampihorohoro ny maro no nampahonena ny mponina ao Ambihivy ny zava-niseho. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny manam-pahefana hijerena ny tena anton’ny fihotsahan’ny trano sy ny fahasimbana manodidina. Mila manamafy ny trano ny maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Indrindra koa mbola hoavy ny rivo-doza isan-karazany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici