Efa tany amin’ny taona 2023 tany ity rangahy ity no nahajono dokotera iray tao anatin’ny haratony, ary saika nahazony vola mitentina folo tapitrisa Ariary. Norebirebeny fa mpiasa avy eo anivon’ny Fiadidiana ny repoblika ny tenany ka afaka mampiditra mpiasam-panjakana ambony. Roa taona taty aoriana, mbola niverina tamin’ny fomba fanaony ingahy, niantso indray mandeha ity hazany, kanjo voapaingotra. Araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia efa nametraka fitoriana teny anivon’ny kaomisarian’i Toamasina ity mpitsabo ity, taorian’io fikasàna hisoloky azy io. Ny herinandro lasa teo, rehefa niverina niantso azy indray ingahy mpiasan’ny prezidansa fôsika, avy hatrany dia nampandre ny polisy ilay lasibatra. « (…)anarana hafa sy fomba fiteny hafa no nanao izany, ary nangataka vola indray. Rehefa nojerena ny laharana finday dia tsikariny fa ilay laharana efa niantso azy matetika tamin’ny volana Septambra 2023 ». Nandray ny andraikiny avy hatrany ny pôlisy ary niroso tamin’ny fikarohana ity mpisoloky. Tsy ela dia hita ny nisy an’ingahy ary tsy ela torak’izay ihany koa dia voasambotry ny pôlisy. Ny faran’ny herinandro teo ity lehilahy ity no tra-tehaka, tao Mangarivotra, Toamasina hatrany. « Rehefa nalaina am-bavany, dia fantatra fa tsy an’asa ity lehilahy ity ary niaiky ny heloka nataony » hoy ny vaovao. Notanana natao andrimaso avy hatrany ho amin’ny famotorana moa ny lehilahy. Ny pôlisy avy eo anivon’ny kaomisaria foibe any an-toerana kosa no misahana ny fanadihadiana an’ity raharaha ity.
m.L




