Ny alatsinainy 01 desambra hifoha talata taona 2025 no nisehoana halatr’omby tsy nisy nahare ny tao amin’ny fokontanin’Anosikely Avaratra, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra. Jiolahy telo no voalaza fa nanatanteraka ny asa ratsy, hita sy voamarina ny dian-kiraron’izy ireo teny an-toerana. Rehefa tsy tazana nandritra ny fivohana an-trano tamin’ny alina ireo omby roa tao am-bala ireo, dia raikitra ny antso vonjy teo an-tanàna sy ny fampandrenesana nalaky an’ireo polisim-pirenena, ka niroso tamin’ny fanarahan-dia ny roa tonta: mpitandro filaminana, vatan-dehilahy. Hita niankandrefana ny lalan’ireo dahalo nitondra ny omby halatra saingy efa maty teny amin’ny sisin-dranon’Ikopabe ny iray tamin’ireo omby. Nahazo antso tampoko indray ireto farany, fa nisy nahatazana nizotra niatsinanana eny akaikin’ny » Pylônes » an-tampon’i Maevatanàna ny omby iray nentin’ireo jiolahy.Tazana teny amin’ny toerana voalaza etsy aloha ny omby iray, izay tsara fatotra tao anaty akata, saingy efa tsy tratra teo kosa ny dahalo. Efa nomena ny tompony, ao amin’ny fokontanin’Anosikely Avaratra moa ireo omby ary namidy teny anivon’ny fiarahamonina ny hena. Mitohy hatrany ny fisafoana ataon’ny polisy, eny amin’ny fokontany nisehoan’ilay halatr’omby hatreto, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Ratantely




