Ny angom-baovao voaray tao amin’ny fokontany Fanjavarivo, any amin’ny kaominina ambanivohitra Andriba, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nahalala fa nahitana tranga tsy dia fahita firy ny tao amin’ny zana-bohitra Besifira, ao amin’ny fokontany voalaza etsy aloha ihany ny talata 09 Desambra taona 2025 teo iny, tokony tamin’ny 11 ora maraina tany ho any. Tovolahy iray tokony ho 17 taona eo no niditra an-keriny tao amin’ny toby iray teny an-tsaha, rehefa tsy tazany tao ny Ray aman-drenin’izy telo miandahy kely, fa namonjy tsena tany Andriba. Noho ny tafiditra tao amin’ny toby ny Tovolahy, dia nanatanteraka ny filan-dratsiny tamin’ilay Zazavavy kely 14 taona no mbola nandratra an’ireo zaza miandahy kely tao. Naratra voadaroka teo amin’ny: Sofiny, Tarehy, ary ny Tenda ny dimy taona tamin’ireo Zaza ireo. Nohezahiny notapahana ihany koa moa ny maha lehilahy an’ilay Zaza 11 taona, saingy tsy tapaka izany. Tafaporitsaka avy hatrany, izy telo mianadahy kely rehafa variana niodina ivelan’ny toby ny nanavanon-doza fa handrehatra izany. Taorin’ny antso an-tariby voarain’ny ny mpitandro ny filaminana hatrany dia nidina nalaky tsy nisy hatak’andro tany an-toerana nanao ny fisamborana ny nanvanon-doza izy ireo. Voatazona ao amin’ny biraon’ny Zandary hatao famotorana ity farany. Ireto Zaza ireto kosa dia nahita soa aman-tsara ny Ray aman-dreniny, teny an-tsena no efa nahazo fitsaboana sahaza ao amin’ny » CSB II Andriba. Tsara hatrany ny mampahafantatra fa nanamafy ny filoham-pokontany any Fanjavarivo, rehefa nanontaniana ny mikasika an’ilay Tovolahy 17 taona fa salama saina tsara io hoy izy.
Ratantely



