- Publicité -
mercredi, décembre 17, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Romotra ny mpampiasa làlana !

RN7 : Romotra ny mpampiasa làlana !

Raikitra ny grevy omaly ary naharitra adim-pamataranandro maromaro. Toham-boivoy amin’ny kilaometatra maro no vokatry ny fanapahan-dàlana avy amin’ny fanasiana vato sy fandorana kodiarana teo amin’ny lalam-pirenena teo amin’ny PK 19, akaiky an’i Tsiafahy. Nohazavain’ireo mpitokona fa leo ny sakana izay mihoampampana eny amin’ny RN7 ny mpitatitra. Nandalo ihany ny mpitandro ny filaminana ny folakandro saingy tsy nahasakana ny fanehoan’ireo olona ny hatezerany izany. Tapaka ny làlana saingy toa tsy nampaninona loatra ireo hafa izay nampiasa ny làlam-pirenena izany. Samy mizaka ny mafy avokoa mantsy ireo mpifamoivoy amin’iny RN7 iny. Eo ihany ny kolikoly izay fototry ny fitokonana omaly fa isan’ny tena tsy tantin’ny olona dia ny fahasimban’ny làlana amin’ny ankapobeny, indrindra ny mampitohy an’Antsirabe raha miala eto an-drenivohitra. Potika ny fiara, vaky ny kodiarana, betsaka ny nivarina an-kady raha vao latsaka kely ny orana noho ny fotaka. Lasa faritra mena tanteraka amin’ny lozam-pifamoivoizana noho ny haratsiany. Ny tena loza aza dia efa nahafaty olona maromaro io fahapotehan-dàlana izay misy ankehitriny io. Dia miara-mizaka ny hadalàn’izay tompon’andraikitra nanao io làlana io ny rehetra. Raha tsiahivina dia làlana tokony nohatsaraina fotsiny io no nopotehina tanteraka ary tsy vita hatramin’izao. Iza ilay tompon’andraikitra nanapa-kevitra? Izay ny orinasa nampiandraiketina ny fanamboarana (na fanimbàna)? Mendrika ny hisy fanadihadiana misokatra ary ampahafantarina ny maro satria fanetribem-pirenena sy halam-bahoaka ireo tompon’andraikitra ireo. Momba ny omaly dia niverina nisokatra ny RN7 rehefa tonga teny an-toerana ny manam-pahefana teo anivon’ny ATT. Izy ireo dia nanapa-kevitra avy hatrany, taorian’ny fihainoana ireo mpitokona, ny amin’ny hanajanonana ny sakana manerana ny lalam-pirenena rehetra. Ny azy ireo dia fanentanana ny mpamily no tena anjara asany mandritry ny sakana. Ny DGSR koa dia nanapa-kevitry ny hampiato ny fitsirihina tampoka eny an-dalàna. Fanapahan-kevitra hita ho feno fahendrena ho an’ireo sampana roa ireo. Efa tena leo ny olona ny amin’ny haratsian-dàlana hany ka nianjera tany amin’ny sakana izay maro loatra ihany koa ny rihitra. 

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici