- Publicité -
mercredi, décembre 17, 2025
AccueilFaits-DiversBazar “chan tine” Tanambao fahadimy : Nisy andian-jiolahy efatra nandrava fanakalozam-bola

Bazar “chan tine” Tanambao fahadimy : Nisy andian-jiolahy efatra nandrava fanakalozam-bola

Vao maraina tokony tamin’ny 07ora sy sasany, fotoana fisokafan’ireny toeana fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday ireny, no tonga tampoka ireo mpandrava tamin’ny kioska mpanao izany fifanakalozam-bola amin’ny finday izany. Tsy nisy ny resaka ela fa avy hatrany dia voaambana basy ilay mpanao ilay fifanakalozam-bola hamoaka ireo vola rehetra tao aminy. Lasa avokoa ny vola tokony ampiasaina rehetra nandritra izany, fa ireo tao anaty finday kosa tsy lasan’ireto andia-jiolahy efatra. Tonga ihany ireo polisim-pirenena nizaha ny fahavoazana sy nanao fanadiadiana teny an-toerana nitrangan’izany. Ireto jiolahy efa-dahy kosa efa tafatsoaa tao anatin’izany; ireo nahita ny zava-nitranga kosa nilaza fa nandeha an-tongotra ireto jiolahy niala teo, fa tsy hay kosa na nisy moto najanon izy ireo tsy lavitra ilay toerana notafihana. Ankoatra izay dia tranon’olona iray hafa koa no nisy nanafika tamin’ny antsy be ny alin’ny alahady nofoha ny alatsinainyy teo. Voalazan’ny tompon-trano fa valizy fipetrahan’ireo an-tontan-taratasy samy faha tao an-trano no nentin’ireto jiolahy, toy ny taratasin-tany – taratasin’ny asa ataon’ilay raim-pianakaviana – dilaoma mikasika ilay raim-pianakaviana sy ny zanany. Tao Andranomadio P/elle 11/43 no nitrangan’ilay vaky trano nahaverezana entana ity. Mirongatra izay tsy izy ny famakiana trano – ny fanafihana fifanakalozam-bola amin’ny finday teto Toamasina amin’izao ankatroky ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona izao. Mila mitadrina ny rehetra ao anatin’izany hoy ireo polisim-pirenena, fa handray ny andraikiny ao anatin’izany izy ireo mba iaina ao anatin’ny filaminana ny fety hankalazaina  eto Toamasina.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici