- Publicité -
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana tao Maevatanàna : Mpamily iray no maty tsy tra-drano, ary olona...

Lozam-pifamoivoizana tao Maevatanàna : Mpamily iray no maty tsy tra-drano, ary olona enina naratra.

Nahitana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray ny teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 244+500 miakatra tsy lavitran’ny tanànan’Antaninarivo kely, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antsiafabositra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny alakamisy 11 Desambra taona 2025 teo iny, tokony tamin’ny 01 ora sy sasany tolakandro tany ho any. Raha ny angom-baovao voaray hatrany dia fiara tsy mataho-dalana na fiara 4X4 avy eto Maevatanàna no nanararaotra nitondra olona hihazo any Toamasina, satria efa indroa amin’izao no nandeha maka  » Litchi  » any an-toerana ity fiara ity, ka nifanehitra tampoka tamin’ny Camion semi-remorque avy any Antananarivo nitondra entana hian’Avaratra nisasasa nandeha mafy, tao anaty fiolanana. Nijanona nalaky tamin’ny sisin’arabe hatrany ny fiara tsy mataho-dalana, raha sendra nahatazana izany. Saingy mbola voadonan’ny fiara vaventy hatrany no niara-nilatsaka tany anaty hantsana mandeha 16 metatra miala ny arabe, ka mpamily ny  » Camion semi-remorque no maty tsy tra-drano, ary naratra tsy nahatsiaro tena kosa ny mpamily mpanampy azy. Olona efatra hafa niaraka tamin’ny fiara tsy mataho-dalana sy ny mpamilin’io fiara io naratra.  Taorin’izay dia nifanome tanana ny ben’ny tanàna any kaominina volaza  etsy aloha sy ny Zandary, tamin’ny fitondrasana an’ireo olona naratra ireo, teny amin’ny CHRR Maevatanàna, rehefa tsy vita tany amin’ny CSB II Antsiafabositra ny fitsaboana azy ireo. Zazakely iray no anisan’ireo naratra tamin’izy niisa enina. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa niisa roa ny olona mbola tsy mahatsiaro tena, tamin’ireo naratra nandritra lozam-pifamoivoizana niseho amin’izao hanoratanay izao. Voamarina fa manao zotra mampitohy an’Antafia sy Maevatanàna ny fiara tsy mataho-dalana tra-doza, izay potika tanteraka niaraka tamin’ilay  » Camion semi-remorque tany anaty hantsana, ary efa handrasan’ny Zandary hatreto, ireo fiara sy ny entana any amin’ny toerana nisehoan’ny loza.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici