Andiana tovolahy maromaro hafahafa fihetsika no tsikaritry ny mponina nihaodihaody teny an-toerana, tao amin’ny tanànan’Ambohidavenona, fokontany Atsimombohitra, kaominina Ampitatafika ny talata teo. Mailo avy hatrany olona ka niantso mpitandro filaminana. Araka ny ny fampahafantarana nataon’ny zandary dia nikasa hanafika mpivady teny an-toerana izy ireo. Mpivady, izay voalaza fa nitondra vola be ary handalo eo amin’io tanàna io ary efa azon’izy ireo vaovao mialoha. Efa nametraka paikady araka izany ry zalahy ireto, haka ny tsy nisasarany. Ny tsy fantatr’ireto andian’olon-dratsy ireto anefa dia efa nahafantatra mialoha ny teti-dratsin’izy ireo ihany koa ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ka efa nanomana paikady mialoha hisamborana an-dry zalahy. Tsy nisy alaharo alaharo fa vantany fa tazana niditra ny tanàna ireto andian’olona nampiahiahy ireto dia nitangoronan’ny fokonolona, izay efa vonona hiaro ny tanànany avy hatrany. Tetsy andanin’izay ihany koa, tonga ara-potoana ny zandary. Nanao tari-dositra, toy ny tsy teo ireto olon-dratsy. Roa tamin’izy ireo kosa no voasambotra, izay fantatra avy hatrany tamin’ny zavatra teny aminy fa tena olon-dratsy tokoa. Araka ny vaovao mantsy dia nahitana cagoule sy sabatra ary fitaovana maro samihafa tany amin’izy roa lahy ireto. Notazomina tao amin’ny zandary avy hatrany moa izy ireo ho amin’ny famotorana. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireo naman’izy ireo tafatsoaka.
m.L



