- Publicité -
samedi, décembre 20, 2025
AccueilFaits-DiversTV Satellite : Feno mpisoloky !

TV Satellite : Feno mpisoloky !

Vao nihidy ny Parabole izay azon’ny mpikirakira fifandraisan-davitra izay miafina (hacker) nangalarina, nirongatra be amin’izay ny fisolokiana. Mikafiry rahateo ny ankamaroan’ny mpanjifa fahitalavitra mandeha amin’ny satelita ary maro ny roboka miditra amin’ireny fanofàna miafina ireny. Betsaka koa anefa no voa satria sarotra ilay sehatra, sady ifangaroan’ny fifandraisan-davitra no eleKtronika no koa misy ilana fahaizana amin’ny fidirana tambajotran-tsolosaina. Eo indrindra no miditra an-tsehatra ny mpisoloky izay tsy hita maso akory. Ao amin’ny tambajotran-tserasera no sehatra hivalamparan’ireo olon-dratsy. Milaza ho mpiasa eo anivon’ny orinasa mpaninjara fahitalavitra mandeha amin’ny satelita izy ireo ary afaka miditra anaty kaonty. Eo no roboka ny olona ary mirisika na dia efa hita taratra ihany aza fa miendrika soloky ny resaka. Koa satria tsy mifankahita mivantana dia misy ny mandefa vola an-telefaonina. Vao lasa iny dia izay no vita ny tantara. Sady tsy mandeha intsony ny findainy no tohanany ny kaontiny amin’ny facebook. Marobe no efa tratra ary manomboka mifampizara vaovao ny olona. Raha ny marina dia izany no tena heloka ilaina ny Cybercriminalité fa tsy fanenjehana ara-politika loatra. Izay ilay heloka an’habaka. Ny any ivelany dia ireny no tena enjehina mafy, ireny olon-dratsy miafina ao ambadiky ny solosaina sy finday ireny. Ho an’ny tranga izay efa be mpitaraina dia mampiasa ny laharana 0334382818 amin’ny anarana Arthur ilay mpisoloky. Mitondra ny kaonty Varotra Rehetra izy amin’ny Facebook. Efa mandeha ny fanadihadiana momba io olon-dratsy izay nahazo volabe tamin’ny fisolokiana an’habaka io ankehitriny.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici