- Publicité -
lundi, décembre 22, 2025
AccueilFaits-DiversAmbondrona Mahajanga : Raim-pianakaviana varira, hita faty, norasaraisana

Ambondrona Mahajanga : Raim-pianakaviana varira, hita faty, norasaraisana

Niainga tamin’ny ilan-tanany, notaritaritin’ny alika, no nahitàna ny vatana mangatsiakany, ny sabotsy teo. Taorian’izay, hita ireo sasantsany tamin’ny vatany, izay efa norasarasaina. Ary omaly maraina no hita ny lohany, izay efa karan-doha sisa.

Tranga mampivarahontsana no nitranga tao Manapatanana, fokontany Ambondrona, tao an-drenivohitr’i Boina tao, ny sabotsy lasa teo. Vono olona feno habibiana tanteraka ! Lehilahy iray sahabo ho 45 taona any ho any no hita faty tao an-toerana, tamin’io fotoana io. Araka ny angom-baovaon’ireo namana mpanao gazety avy any an-toerana, ny marain’ny sabotsy teo no nisy nahatsikaritra ny tranga ary nitohy tamin’ny fahitàna izao toe-javatra mampihoron-koditra izao. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy dia alika niampita arabe, nitaritarika ilan-tanan’olona efa tapaka sy simba no nanaitra ny olona. Rehefa tena nojerena akaiky tokoa dia tena tanan’olombelona tokoa ity nentin’ity alika ity. Rehefa narahina ny toerana niavian’izany dia fantatra fa tao anaty ala honko tsy lavitra ny arabe. Raha ny vaovao hatrany dia nahitàna rà efa maina tsy lavitra teo ary manodidina teo no nahitàna ny ambin’ny vatana nisy ilay tanana, izay efa voasatsaraka ihany koa. Tsy nisy azo namantarana an’ity olona hita faty ity. Tsy hita teo amin’ny manodidina rahateo ny lohany, tamin’io fotoana io, raha tsy andro iray taorian’izay.

Rehefa nanohy ny fikarohana ihany anefa ireo mpitandro filaminana sy ny mpitsabo tonga teny an-toerana dia hita teo amin’ny manodidina teo ny kitapony, izay mbola nisy fitaovana sy akanjo, izay nahafahana namantatra azy avy hatrany. Mpiasa amin’ny orinasa mpanao kidoro eny Amborovy izy io, raha ny angom-baovaon’ireo namana hatrany, ary ny alakamisy lasa teo no hita farany tany am-piasana. Raha ny fantatra dia manana toe-batana varira ity raim-pianakaviana ity. Efa natolotra ny fianakaviany moa ny razana, taorian’ireo karazam-pitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra. Eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana kosa ny raharaha, hikarohana ireo olon-dratsy nahavita izao vono olona mahatsiravina izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici