- Publicité -
mardi, décembre 23, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna - RN4 : Fiara taksborosy iray nilatsaka tao ambany tetezana, mpandeha...

Maevatanàna – RN4 : Fiara taksborosy iray nilatsaka tao ambany tetezana, mpandeha 15 no naratra

Fiara taksborosy iray niala afakomaly tokony tamin’ny 6 ora hariva avy any Antananarivo hihazo any Mahajanga no tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tao amin’ny tetezan’Ikalamilotra kely, any amin’ny kaominina ambanivohitra Berivotra 5X5, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny marainan’ny alatsinainy 22 Desambra taona 2025 teo, tokony ho tamin’ny 3 ora tany ho any. Ny angom-baovao voaray no nahalana fa noho ny lalana malama dia nivarina tany ambany Tetezana ny fiara Sprinter miloko mavo nitondra mpandeha 17, saingy tsy voatazon’ny mpamily intsony ny familiana araky ny fanazavany. Fiara iray sendra nahatazana ny loza no nijanona niara-nisalahy tamin’ny fifanomezan-tanana, any ka nalaky voavonjy ihany ireto farany, raha iny nilatska tany ambany tetezana nisy rano iny. Taorin’izay dia nidina tany amin’ny toerana nisehoan’ny loza ny Zandary roa avy ao Berivotra 5X5 sy ny Zandary roa lahy misahana ny fifamoivoizana eto Maevatanàna. Rehefa nampiakarina teny amin’ny arabe izy ireo dia olona 15 no tena naratra. Ny roa tamin’ireo ny tena voamafy, ary ny mpamily sy ny mpandeha iray hafa tsy dia nahitana ratra firy, saingy efa nalefa namonjy tobim-pahasalamana eto Morafenokely/Maevatanàna mba hanaraka fitsaboana sahaza ireo olona naratra ireo. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa tonga nanolotra, izay voatsirambin’ny tanana hoan’ireo naratra, eny amin’ny  » CHRR Maevatanàna  » ny fikambanana Tsiry digital Repair Maevatanàna.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici