- Publicité -
samedi, décembre 27, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomangatsiaka-Maevatanàna : Polisy nanafika voasambotry ny fokonolona

Andranomangatsiaka-Maevatanàna : Polisy nanafika voasambotry ny fokonolona

Ny marainan’ny talata faha-23 Desambra taona 2025 lasa teo, tokony tamin’ny 02 ora sy sasany tany ho any no nivoaka ny trano fonenany namonjy fandanjana volamena any Andriba, ilay Ramatoa iray efa zatra mitety tsena, mipetraka ao amin’ny fokontan’Andranomangatsiaka, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra, faritra Betsiboka. Iny niala 30 metatra ny tranon’iny, ity farany no nisy jioalahy efa-dahy nitondra zava-maranitra sy basy, efa niambiana hanafika azy ny teo ivelann’ny trano, any ka niantso vonjy avy hatrany anefa izy, rehefa nahatsikaritra ny fisian’ireo dahalo. Nivoaka nalaky tao an-trano ny vadiny, raha nahare izany. Teo ihany koa dia nihazakazaka namonjy azy ny mpamily mpanampy ny fiara nandehanany mamonjy tsena. Ka raikitra ny sakoraka sy ny famonjen’ny fokonolona teo an-tanàna. Vokany: Tafaporitsaka ny telo tamin’ireo jiolahy iray nisaron-tava kosa no voasambotry ny fokonolona, ka tratran’ny daroka teo. Taorin’izay dia nentina teny amin’ny biraon’ny polisim-pirenena eto Maevatanàna avy hatrany, ity dahalo tratra ity ka voamarina fa polisy miasa any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambondromamy, distrikan’Ambatoboeny moa ny tenany. Tsy nisy kosa ny zavatra lasa sy ny aina nafoy. Saingy naratra ihany, ilay Ramatoa mitotra vohoka mpandanja volamena sy ny mpamily mpanampy nitsena azy maraina nandritra ny fifanjevona. Eto ampamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny rahahaha sy ny fikarohana an’ireo jiolahy tafaporitsaka.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici