- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025

Tapatapany

#- Alarobia Ambatomanga. Tovolahy latsaka anaty rano, mbola ifampitadiavana. Ny sabotsy lasa teo no nitranga ny loza tao Alarobia Ambatomanga, tao amin’ny fokontany antsoina hoe Ibaka. Tovolahy iray, manodidina ny 24 taona teo ho eo no latsaka avy eny ambony tetezana, raha nandeha bisikleta. Nalama ny lalana teo ambony teo ary mety ho nisolifatra ity tovolahy ity, ny rano ihany koa etsy andanin’izay mahery dia mahery. Niezaka nitady ity olona latsaka an-drano ity ireo fokonolona, nampian’ireo mpamonjy voina, saingy mbola tsy hita hatreto. Mbola manohy ny fikarohana ireto farany.

#- Mandiavato. Lehilahy nianjera avy eny ambony tetezana. Nisehoana fahafatesana an-drano ihany koa tany Mandiavato, distrika Miarinarivo, ny sabotsy lasa teo. Lehilahy, tokony ho 40 taona no hitan’ny olona natsingevan’ny rano teny an-toerana. Araka ny fantatra dia mbola nisy nahita ity lehilahy ity nipetraka teo ambony tetezana ny antoandro, ny harivan’io anefa izy dia tany anaty rano ny vatana mangatsiakany no hitan’ny olona. Famonoan-tena ve sa sendra nianjera ? Ao anatin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana amin’izao.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser