Ny talata teo, no namoahana tamin’ny fomba Ofisialy ireo mpiofana ho mpampianatra niisa 137 tao amin’ny » CRFRP na Centre Régional de Formation et de Recherche Pédagogique Maevatanàna » izay misalotra ny anarana hoe: » Vonona andiany fahefatra. » Nisy hatrany ny fanomezana maripakasitrahana ho mariky ny fahavitana ny fiofanana, hoan’ireo mpampianatra ambaratonga voalohany. Tao amin’ny efitrano malalakin’ny Kats-em no nanatanterahana izany. Nanokatra izany tamin’ny fomba Ofisialy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara, izay lany voafidy tany amin’ny disitrikan’i Kandreho ,izay notronon’ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny eto amin’ny renivohitry ny faritra Betsiboka, lehiben’ny ivon-toeram-piofanana Rezionaly sy fikarohana ara-pedagojia, solotenan’ny INFP. Nisolotena ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena ny Tale misahana ny fampianarana tsy maintsy lalovana (DEO).
Ratantely



