Tao anatin’ny firahalahiana tanteraka ny lanonana notontosaina tetsy Ankadilalana, niarahan’ireo mpitandro filaminana telo lafy, ny tafika, ny zandary ary ny pôlisy, mivondrona ao anatin’ny Emmo na ny « Etat major mixte opérationnel », omaly. Teo ambany fitarihan’ireo ministra telolahy, ny Jeneraly isany, Rakotozafy Dominique, ministry ny fiarovam-pirenena, Paza Didier, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ary Randimbisoa Blaise Richard, ministry ny filaminam-bahoaka lehiben’ity vondrona telo mahamasa-nahandro ity. Ny ministry ny fiarovam-pirenena, nisolo tena azy ireo, tao anatin’ny kabariny, no nilaza fa hohamafisina ny fifandraisana eo amin’ireto vondrona telo ireto. Ary ny ao anatin’ny Emmo dia iray sy miaraka hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Hentitra dia hentitra ireto lehiben’ny Emmo ireto raha nilaza fa noho izay maha iray sy ho fanatratrarana ny tanjona iray eto amin’ny firenena, ny fandriampahalemana, dia tsy tokony hisy intsony ny fifampitsikerana ao anatin’izany fiaraha-miasa izany. Tsy azo andeferana intsony ireo mpihoa-pefy, indrindra fa ireo tsy maty manota. Aoka ihany koa, hoy hatrany ny fanazavana, tsy hisy intsony ny hoe fifampitsinjovana, fa rehefa manao ny tsy mety, na miaramila io na zandary na pôlisy, dia tokony hizaka ny vokany ary hofaizina mafy tokoa. Torak’izany ihany koa ny ady amin’ireo mpanao kolikoly, izay vaindohan-draharahan’izy ireo. Ny minisitry ny Filaminam-bahoaka dia nanamafy fa ho hentitra tanteraka ny tenany ary hanafay mafimafy kokoa ireo pôlisy mpanao kolikoly, na amin’ireo olona maka fanahy ireto farany. Manentana ny rehetra mihitsy aza izy mba hampandre raha mahita trangan-kolikoly ka hananana porofo mazava. Ny firarian’ny rehetra dia hoe : « enga anie mba ho tena hampiharina tokoa fa tsy hijanona ho kabary fotsiny ihany, manoloana ny firongotry ny kolikoly, ny tsy fandriampahalemana, ary indrindra ny fisian’ireo mpitandro filaminana mpanararaotra fahefana ».
m.L