- Publicité -
lundi, décembre 29, 2025
AccueilFaits-DiversAntananarivo Renivohitra : Olona valo voasambotry ny polisy

Antananarivo Renivohitra : Olona valo voasambotry ny polisy

Ireo olona voasambotra.

Nanao hetsika fametrahana fandriam-pahalemana maharitra ny polisim-pirenena. Nahitam-bokany izany ka olona valo no voasambotra noho ny halatra, sinto-mahery, fanendahana ary vaky trano nandritra ny fety.  Teny Manjakaray ny alin’ny 25 desambra, fianakaviana iray dimy mianaka niverina avy nanatrika lanonana no niharan’ny fanendahana tao anaty elakelan-trano. Olona roa no nandroba azy ireo ka lasa tamin’izany ny finday iray. Nampandre haingana ny Polisy nanao fisafoana teny Manjakaray ny iray tamin’ireo voaendaka, niroso tamin’ny fikarohana ny manodidina nisehoan’ity fandrobàna ity ireo Polisy ka voasambotry teny an-toerana ny iray amin’ireo mpanendaka. Teny Analamahitsy, ny 25 desambra ihany tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisy avy ao amin’ny CSP8, dia mpanendaka sy mpanao sinto-mahery miisa efatra no voasambotra. Nahitàna finday telo, kitapo iray ary vola 250.000 Ariary izay vao avy norobaina teny amin’izy ireo. Nasaina nametraka fitoriana ireo lasibatra.  Teny 67 ha indray ny antoandron’ny 24 desambra. Lehilahy iray no voasambotra, tratra Ambodiomby teo am-panaovana sinto-mahery finday. Naverina avy hatrany tamin’ny tompony teo no ho eo ihany ny finday. Tao Miandrarivo Ambanidia, ny 24 desambra maraina.  Voasambotra ny lehilahy iray noho ny resaka vaky trano. Nentina eo anivon’ireo kaomisaria voakasika avokoa ireo voasambotra rehetra ary mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisimpirenena.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici