- Publicité -
lundi, décembre 29, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana an’ilay mpampianatra FRAM : Ny vadiny sy ny “anadahany lavitra” no...

Famonoana an’ilay mpampianatra FRAM : Ny vadiny sy ny “anadahany lavitra” no ahiana namono azy

Tena tsy nampozina ny fifandraisan’ny famonoana an’ilay mpampianatra Fram tao amin’ny kaominina Masomeloka, distrikan’i Mahanoro, Ramatoa Larissa, 33 taona, izay nataon’ny vadiny sy ny anadahiny lavitra (cousin) ny 04 desambra teo. Fikarohana nataon’ny zandary avy ao Fenerivo atsinanana no nahazoana izao vokatra izao, izay nampihaiky ny vahoaka tao Masomeloka. Mailo ny zandary ka natao fisavana avokoa ny findain’izy ireo, ka hita tao avokoa ny fandrahonana an’ity Ramatoa Larissa ity sy ny fisaraham-panambadiana an-dalana ankehitriny. Efa nivoaka ihany koa ny solontsakafo alohan’ity fisarahana hivaly tsy ho ela, nefa malaina ny handoha izany ilay rangahy vadiny, ka ny famonoana azy no tsy andoavany izany intsony raha ny fiheverany. Tamin’ny famonoana an’i Larissa izao, ny 04 desambra ity, dia niverina niaraka ilay rangahy sy ity vehivavy ity, ka nandritra ny fiverenan’ny fiarahan’izy ireo no namonoana azy, tahaka ny naha-voaroiroy azy tamin’ilay mpampianatra nambarany fa sipan’ny vadiny nisy namono tamin’ny daroka ihany koa, telo taona lasa izay. Raha ny fanampim-baovao voaray dia tsy sahy nandà izao zava-bitany izao ilay rangahy vadin’i Larissa sy ny anadahiny lavitra (cousin); fa avy hatrany dia niaiky sy nitolo-tena mihitsy, raha tsorina, izy roa lahy voasambotra. Tena sarotra ny hahafahan’ilay rangahy vadin’i Larissa amin’ity raharaha ity, na ilay famonoana an’i Larissa mody tsy nasiana halatra, fa nijanona tao anaty poketra nentin’i Larissa ny vola 84.000 ariary, fotsiny tsy aza, dia efa namantarana hoe izy no atidoha nikotroka ilay famonoana rehetra. Hiakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famororana ny raharaha, ka hizaka ny ratsy nataony ilay rangahy vadin’i Larissa teo aloha sy ity anadahiny (cousin) ity tsy ho ela intsony.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici