Toa efa tambajotra lehibe mihitsy ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery eto an-drenivohitra. Tsapa ho nanova ny fomba fanaony indray ireto olon-dratsy ireto tato ho ato izay. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana dia misy amin’izy ireo no mitangina môtô, ka misintona ny pôketr’ireo olona tandrify azy. Ao ireo tsy mifaditrovana fa avy hatray dia manindrona antsy ireo izay sendra azy. Seho vao tsy ela ihany koa izay ny nitranga tetsy Antanimena, tamin’ny nisian’ireo andiana tovolahy nanipy asidra tamin’ireo mpandeha tao anaty taxibe. Raha mikasika ity farany dia fantatra, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy hatrany, fa efa misy tamin’izy ireo no voasambotry ny pôlisy avy amin’ny kaomisarian’Isotry sy 67ha. Mety ho tafiditra ao anatin’io tambajotra io ny telo lahy teo am-pisintonana pôketrana vehivavy iray, teo ambony tetezan-dRamala Isotry, ny zoma hariva lasa teo. Nanenjika avy hatrany ireo mpitandro filaminana saingy, ny iray ihany, tovolahy 18 taona, izay vao nivoaka ny fonjan’Antanimora nitazomana azy ny talatan’io, no voasambotra tamin’io fotoana io. Toraka izany ihany koa teny amin’ny faritra 67ha iny, izay nahatratrarana tovolahy roa, mbola tsy ampy taona ny iray tamin’izy ireo, ny alakamisy lasa teo, raha teo am-panaovana ny asa ratsiny. Teo am-panendahana lehilahy iray izy roa lahy ireto, teo amin’ny lalana mihazo ny Cenam iny, no sendra ny mpitandro filaminana. Fantatra fa vao avy namita ny saziny tany am-ponja ihany koa ireto « mpisam » tratra ireto. Samy niaiky ny heloka vitany izy ireo ary efa natolotra ny fitsaràna.
m.L