Vitany ny nitsoaka tao anaty fonjakely. Nendahiny ny vy miendrika ho varavaran-kely ary teo izy no nisaoty. Toa ny nilatsaham-baratra ny tao amin’ny paositry ny polisy tao an-toerana raha hijery azy kinanjo efa tsy tao intsony. Manginy fotsiny, voarohirohy tamin’ny raharaha heloka bevava ilay lehilahy. Na izany aza tsy niandry ela dia natao ny fikarohana azy manerana ny tanàna. Nampiasaina ny fanangonam-baovao ary ny andron’iny ihany dia voasambotra ilay lehilahy. Nody tao amin’ny trano nisy ny fianakaviany izy. Raha tsiahivina dia izy io no voasambotra voalohany tamin’ny raharaha famonoana mpamily taxi. Io dia novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ary natsipy tao anaty lalan-drano avy eo ny fatiny. Izany no natao dia nentina nangalarana ny fiarakaretsaka izay nampiasainy. Tsy nisy niangana ny fiara satria hatramin’ny vatany aza dia efa namidy tamin’ny mpanao vy. Ny teo anivon’ny polisy dia nandray andraikitra avy hatrany tamin’ny fanatsoahana amin’ny asany ny lehiben’ilay paositry ny polisy izay nitrangan’ny fitsoahana. Nohamafisina koa ny fiambenana ilay voarohirohy mandra-panolorana azy eo anivon’ny fampanoavana. Mbola miankina betsaka aminy mantsy ny fitohizan’ny fanadihadiana izay miompana amin’ireo niray tsikombakomba taminy momba ilay heloka bevava. Mpamily taxi iray ary mpanamory taxi-moto iray izay no namoy ny ainy teny amin’iny faritr’Ambohimangakely iny tao anatin’ny iray volana. Tsy milamin-tsaina ireo karazana mpitatitra ireo manoloana izany. Manodidina ny teny Ambohimangakely avokoa no nisy ireo mpanao ratsy sy ny nanaovana ny heloka bevava.
D.R



