Saika hanafika tao amin’ny tanànan’i Soaravimaro, Betafo ingahy sy ny ekipany no vosambotra. Nanda sy namaly ny fisamborana azy ity dahalo raindahiny ity ka voatery nampiasa basy ny mpitandro filaminana… Lavo ny andrazarezina hoy ny zandary.
Anisan’ireo olon-dratsy hikoizana nampitondra faisana tanana maro tany amin’iny distrikan’i Mandoto sy Betafo iny raha i Retsiraka ( vakio tsara fa ‘rE’ fa tsy ‘rA’ hoy hatrany ireo mpitandro filaminana). Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy naha andrarezina azy intsony ireo fokonolona sy ireo zandary tany an-toerana. Ao anatin’ny fametrahana ny fandriampahalemana amin’izao ankatoky ny fety izao rahateo izy ireo any an-toerana ka tsy hamela mahazo ireo olon-dratsy. Tamin’io fotoana io dia mbola nikasa ny hanao ny fanaony mahazatra ingahy sy ny ekipany, kanjo efa sendra ny vela-pandriky ny fokonolona izay efa nampandre avy hatrany ny zandary ka nadamoka ny ny zava-nokinasa. Niafara tamin’io fifandonana io mihitsy aza moa ny fisamborana an’ingahirainy ary izao nitohy tamin’ny tifitra nahafaty azy izao.
Na izany aza, voalaza fa mbola betsaka ireo mpiray tsikombakomba taminy tamin’ireo halatr’omby sy fanafihana tsy tambo isaina nampitondra ny mangidy ho an’ireo tanana nandalovany ka tsy maintsy hiroso amin’ny fikarohana azy ireo ny zandary, raha ny vaovao hatrany. Efa mandeha rahateo ny fikarohana azy ireo any an-toerana. Ny tantaran-dRetsiraka araka izany no tapitra, fa ny famongorana ireo forongony kosa mbola mitohy…
m.L



