Nampiakarin’ny lehiben’ny faritra vonjimaika « codis » ny talen’ny « infrastrctures et du developpement » noho ny antony tsy fanarahana baiko. Ny olana anefa dia tsy voahaja ireo fepetra hampiakarana Codis, satria tsy misy fangatahana fanazavana tsotra, na « dimex », fa tonga dia fampiantsoana hiakatra CODIS tamin’ny alatsinainy 29 desambra no nilatsaka, ary ny tena nahagaga dia Ingahy mpitory ihany no mitarika izany, hoy ny fanazavana avy amin’ireo ao amin’ny faritra. Ny manaraka ny fepetra anefa, raha misy mpiasam-panjakana miakatra Codis dia tsy ny eo amin’ny faritra aloha no manana fahefana amin’izany. Ny mpisolo toerana rahateo tsy tokony hanana fitarainana sy hitarika ny Codis, hoy ihany ny fanazavana.
Raha tonga tokoa ny alatsinainy dia vory tao amin’ny efitra fivorian’ny faritra ny mpitory sy ny toriana. Ny resaka natao tao dia hoe foana sy tsy manakery io Codis, satria iaraha-mahita fa tsy mahafeno ny fepetra rehetra ary hita miharihary fa fanapahan-kevitra miendrika fankahalana sy halako bika tsy tiako tarehy. Mba tompon’andraikitra manana ny traikefa ihany anefa ity lehibn’ny faritra misolo toerana ity.
Mametra-panotaniana ny olona hoe , olona toy izany, mandray fanapahankevitra tsy am-piheverana sy tsy ampy fahamatorana, dia mendrika hitondra ny faritra. Sarotra ny fanantenana hisian’ny fanavaozana raha olona manavakavaka ary tsy manana fomba fijery hampandroso no omena andraikitra ambony, ka tsy ho tratra ny tanjona amin’ny fampandrosoana, izay tena andrandrain’ny vahoaka. Mila fampandrosoana haingana ny faritra ary mila olona vonona afaka mamondrona ny herivelona rehetra hifanome tanana amin’ny fampandrosoana.
Yv Sam



