- Publicité -
mardi, janvier 13, 2026
AccueilFaits-DiversAKADEMIA MIARAMILA :  Iaraha misalahy ny fanovana rafitra sy toe-tsaina hoy ny filohan’ny...

AKADEMIA MIARAMILA :  Iaraha misalahy ny fanovana rafitra sy toe-tsaina hoy ny filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’i Madagasikara

Daty manan-danja lehibe ho an’ny manamboninahitra eto amin’ny firenena ny 12 janoary, andron’ny manamboninahitra, fomba amam-panao napetrak’ireo mpianatra ho manamboninahitra avy tao amin’ny andiany Voalohany « Andiany Aina» izy ity. Misy ny lanonana samy hafa sy hafa kely nentina nanamarihana izany, izay efa fomba fanao rahateo toy ny fifamadiham-pibaikona ka ireo mpianatra ho manamboninahitra indray no mibaiko ireo zokiny.  Fotoana ihany koa izy ity hanehoan’ireo mpianatra ny hetahetany sy fitakiana maro samihafa mahakasika ireo filany na ara pitaovana izany na ara-piofanana. Ao anatin’ny soatovina maha Manambonihatra no hanatanterahana izany tao amin’ny Akademia Miaramila.

Nandrajy anjara tamin’ny lanonam-pakalazana ny manamboninahitra avy amin’ny Akademia Miaramila, ny sekolin’ny Manamboninahitra ENSOA , ny 5° UPC ary ny vondrotobim-paritry ny zandarimariam-pirenena eto Vakinankaratra, notron’ireo mpianatra manamboninahitra rehetra manovo fahalalana ao amin’ny Sekoly ary koa ireo manam-boninahitra am-perinasa sy efa misotro ronono izay nasaina.

Taorian’ny fanokafana ara miaramila teo amin’ny «place d’arme», fomba efa fanao ho an’ny tompon’andraikitra ambony ny rehetra ny fanomezana gisa na «oie tradionnelle».

Tonga nanome voninhatra ity lanonana manan-kaja ity ny ny filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’ny Madagasikara ny kolonely Randrianirina Michael notron’ny minisitry ny foloalin-dahy sy ny lehiben’ny «etat majo»r n’ireo tafika sy ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena. « Arovy ny vahoaka hoy ny filoha arovy ny fananany, tokony averina ny hasin’ny miaramila hoy hatrany ny filoha nandritra ny fandraisam-pitenenany. Notsipihiny fa iaraha misalahy ny fanovana rafitra, sy fanovana toe-tsaina, manantena ny miaramila ny tenako hoy izy saingy tsy vitan’izy ireo irery ny fampandrosana ny firenena. Ho lavitry ny kolikoly, ny halatra ny harem-prenena izao fametrahana ny fanovana rafitra eto amin’ny firenena izao hoy hatrany ny filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’ny Madagasikara.

Notoloran’ny akademia Sabatra ny filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’ny Madagasika nandritra ny lanonana tamin’ny alalan’ny kaomandin’ny sekoly ny Jly Ratsarahevitra Andriamisetra sy ny minisitry ny foloalin-dahy.

Ankoatra izay ho mariky ny fandalovan’ny filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’ny Madagasikara  tao amin’ny ACMIL dia nisy ny fambelena hazo fihinam-boa nataon’ity farany niarahany tamin’ireo manam-bonihitra teo anoloan’ny trano fibakoina.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici