- Publicité -
mercredi, janvier 14, 2026
AccueilFaits-DiversAndranombolaha Toamasina II : Maty ilay zazavavy 05 taona naolana

Andranombolaha Toamasina II : Maty ilay zazavavy 05 taona naolana

Zava-doza ny niseho tao Andranombolana Toamasina II iny, fa zazavavy enin-taona no maty naolan’ny lehilahy 16 taona. Tena mafy loara ny nanaovan’ilay tovolahy ny filany ka tsy zakan’ilay zazavavy 05 taona intsony, ka izao niafara tamin’ny fahafatesany izao. Efa voasambotry ny zandary moa ity tovolahy ity ankehitriny, ary efa niaiky ny heloka vitany ary miadry ny fiakarany fitsarana hamantarana ny sazy savaranonando azony. Nitantara mantsy ilay tovolahy fa notampenany ny vavan’ilay zazavavy, ka rehefa torana iny izy dia nanaovany ilay filan-dratsiny amin’izay. Fa ny tena loza dia ny nilazany fa efa misy zazavavy 02 koa efa naolany talohan’izao, saingy tsy maty izy ireo. Nambarany fa “misy devoly misarona aminy ahavitany izany”, ka izay teniny izay no tena nahagaga ny mpiara-monina taminy. Nanentana moa ny zadary mikasika ny raharaha ho an’ny ray aman-dreny rehetra, fa mila malina mandrakariva amin’izao fa betsaka ireo manao ny filan-dratsiny, ka milaza fa entin’ny devoly, nefa efa mahavita ny ataony izy mandritra izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici