Vita ny fandevenana ilay moanamory taxi-moto maty nisy namono tetsy 67ha. Tao anatin’ny alahelo tanteraka ny fianakaviany no niezaka naneho hevitra. Izany dia mahakasika ny fanentanana ny olona izay manam-baovao na sombim-baovao mahakasika ireo olon-dratsy nanatontosa ny heloka bevava. Tsy maintsy avy amin’ny fiaraha-monina ihany mantsy no mety hiavian’ny famantarana ny tsirairay. Manainga araka izany izy ireo mba tsy hisalasala ny hampita vaovao na mivantana amin’izy ireo na koa mankany amin’ny mpitandro ny filaminana. Raha tsiahivina dia mpamily taxi sy mpanamory taxi-moto izay miisa telo izay no maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao anatin’ny iray volana mahery kely. Ireo fitaovana fampiasain’ireo hatrany no tena lasibatr’ireo mpanao heloka bevava. Matetika harivariva hatrany no mody mandeha taxi na taxi-moto ireo mpamono olona izay miafina ho mpanjifa. Mihorohoro ireo mpitatitra kanefa koa amin’iny lera iny no tena isan’ny mampandeha ny asan’izy ireo.
D.R


