- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025
AccueilFaits-DiversAnkatso : Solosaina maromaro, very tao amin’ny Fakioltén’ny Siansa sy ny Misa

Ankatso : Solosaina maromaro, very tao amin’ny Fakioltén’ny Siansa sy ny Misa

Nitrangana halatra indray ny teny amin’ny Anjerimanontolo omaly. Raha ny filazan’ny lehiben’ny fandriampahalemana eny an-toerana, dia laboratoara iray tao amin’ny Fakiolten’ny Siansa no nisy namaky. Very tamin’izany ny solosaina maromaro, raha ny fanazavana azo hatrany. Raha ny nambaran’ity lehiben’ny fandriampahalemana ity hatrany, dia tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro teo izy no nisy nampandre ny amin’ny fahavakisan’ity laboratoara ity. Ny fepetra noraisiny manoloana ny toe-javatra tahak’izao, dia ny fitondrana alika mpitsongo dia. Nijanona teo amin’ny tranona mpiambina tsy lavitra an’ity toerana ity alika ity. Etsy andanin’izay, nitrangana halatra ihany koa ny tao amin’ny Misa, sampana fampianarana informatika ao amin’ny fakiolten’ny Siansa hatrany, ny alahady  teo. Mbola solosaina maromaro ihany koa no fantatra fa very tamin’io fotoana io. Nisy mpianatra mbola nianatra sy nifety, efa nahazo alàlana tao, raha ny filazan’ity lehiben’ny fandriampahalemana eny Ankatso hatrany. Ny maraina, tokony ho tamin’ny 3 ora  vao nifarana izany lanonana izany. Tamin’ny 6ora maraina ry zareo nifoha no nahatsikaritra ny fahavakisan’ny trano sy ireo fahaverezan-javatra ireo. Efa mandeha ny fikarohana sy ny fanadihadiana raha ny fanazavana azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser