Nisy nanafika andro atoandro be ny toerana fivarotana lamba tonta na “fripperies” iray teo amin’ny “parking” kamiao ny CRJS omaly tokony tamin’ny 01ora. Niditra ireto tovolahy mbola erotrerony 05 lahy mody nanontany lamba tian’izy ireo, avy eo nanontany “balles na fripperies” ihany koa. Niady varotra eo fa hoe hividy izy ireo, kanjo tampka teo vao tsy ollon-kafa tao anaty magazay dia noraofin’izy ireo avokoa ny finday tamin’ireo mpivarotra telo tao anaty magazay. Vita izay dia nodarohan’ireto bandy 05 lahy ireo mpivarotra tao anaty magazay,ka “matrix sy totohonry no nanaovan’izy ireo ny daroka. Teo dia nitaky ny vola matin’izy ireo ireto jiolahy 05, izay mpivarotra sinoa 03 no tao. Tsikaritra ilay tompona magazay fa basy kilalao no teny amin’ireto jiolahy, dia niezaka namaly izy, saingy voatsatoka antsy teo amin’ny kibony. Tsy hay hoe ohatrinona ny vola lasa, fa lasan’ireo jiolahy avokoa ireo vola maty omaly. Taoriana izany dia nentina teny amin’ny hopitaly ilay tompon’ny magazay mba hitsaboana azy ary nahazo izay ara-dalana ny tenany. Voalaza fa lasa daholo ny finday teny amin’izy ireo, ka tsy nisy antso afaka natao intsony taorian’ny zava-niseho. Voalaza fa nizara roa ny lalan’ireto jiolahy raha niala teo izy ireo nitondra ireo zavatra azony. Nandeha an-tongotra ny sasany tamin’ireto jiolahy fa mety napetraka lavidavitra teo angamba ny moto, fa ny sasany avy hatrany dia niaingina moto. Eo am-panadiadiana mikasika iy tranga ity ny mpiandro filaminana, satria taorian’ny famindram-pitantanana teo amin-ny talen’ny polisy roa tonta no nitranga ilay zava-niseho. Hisy izany ny fandaminana ny filaminam-bahoaka ato ho ato ho ataon’ny talem-paritry ny polisy vaovao.
Malala Didier


