- Publicité -
jeudi, janvier 15, 2026
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Mpanao gazety voaendaka teny ambony moto

Antohomadinika : Mpanao gazety voaendaka teny ambony moto

Nandeha kodiaran-droa nanao ny asa andavanandro. Nandalo teo Antohomadinika. Iny indrindra no nisy nanaraka izy rehefa tratran’ny tohamboivoy. Izy mbola teo ambony moto no nisy nisintona ny fehin-tànana volamena teny aminy. Naolan’ireo jiolahy ny tanany ary nesorina ny firavaka. Tao anatin’ny fotoana fohy monja no nanatontosan’ireo mpanendaka an’izany ary ny tena nahatalanjona dia tsy nihazakazaka akory ireo niala teo. Nandeha am-pilaminana toy ny olon-tsotra tsy nanao na inona na inona. Ny olona koa dia nijery fotsiny fa tsy nisy sahy niditra an-tsehatra ny nanenjika. Samy natahotra ny ainy sao sanatria hiverenan’ireo olon-dratsy. Dia lasa toa izany ny fiaraha-monina iainana eny amin’ny manodidina : jerem-potsiny ny mpanao ratsy. Antony iray mampahazo vahana ny fikambanan-jiolahy izany tsy fahasahian’ny olona mitoroka na mandray andraikitra izany. Hatreto, ny fanaparitahana ireo polisy manao fanamiana sivily, eny amin’ny faritra mena, ihany no tena vahaolana mahomby handresena ny tontakely sy ny mpanendaka eto an-drenivohitra. Ary efa nanao ny porofony izy ireny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici