- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFitifirana teny Ambohibao : Jiolahy dimy nalefa eny Tsiafahy

Fitifirana teny Ambohibao : Jiolahy dimy nalefa eny Tsiafahy

Andro vitsivitsy taorian’ilay fanafihana tetsy Ambohibao, nitranga ny alatsinainy 19 janoary  teo, ka namoizan’ilay mpitam-bolan’ny fiangonana FLM Ambohibao ny ainy, dia efa namokatra sahady ny fanadihadiana nataon’ny zandary teny an-toerana. Olona 11 no voasambotra, ka ny dimy tamin’ireo ihany no nandray anjara mivantana tamin’ilay fanafihana, izay rehefa avy nohenoin’ny mpitsara mpanao famotorana dia nalefa avy hatrany eny Tsiafahy miandry ny fotoam-pitsarana azy. Ireo enin-dahy ambiny kosa, dia mpiray tsikombakomba fotsiny ihany ka anio no hohenoin’ny mpitsara izy ireo. Sarona niaraka tamin’ireo olon-dratsy ireto ihany koa ny kalaky iray, izay marihana fa efa notapahina sy notsofaina, mba ho mora afenina sy entina, niaraka tamin’ny bala  sivy, baramina iray ary ireo volam-piangonana, vola madinika, ariary zato sy roan-jato efa voapaingopaingotra. Ny sabotsy lasa teo ireto tambajotrana jiolahy ireto no ravan’ny zandary, raha ny fanazavana azo. Taorian’io fanafihana nahafaty olona io mantsy, dia nandeha avy hatrany ny fanadihadiana, ka niantefa teny amina tovolahy iray teny an-toerana ny ahiahy. Rehefa natao ny fisavana ny tranon’ity tovolahy ity, dia hita tao aminy ny vola madinika roan-jato sy ariary zato, maromaro efa voapaingotra. Nilaza ho mpivarotra sambôsa ihany koa ranamana tamin’izay fotoana izay, kanefa rehefa nohadihadiana lalina dia lainga avokoa. Ity farany ity no nitondra nankany amin’ireo namany, izay nahatratrarana ny bala sy ireo fitaovam-piadiana fentin’ireo jiolahy ireo. Marihana, fa mbola misy naman’ireto olon-dratsy ireto karohina fatratra amin’izao fotoana, izay voatondro ho niavian’ilay basy nanafihan’ireto olon-dratsy ireto. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia efa jiolahy rain-dahiny mpanakafika mihitsy izy dimy lahy ireto, satria dia isan’ny tompon’antoka tamin’ireo fanafihana maromaro niseho teny Ambohidratrimo, Ankadindravola ary Ambohibao. Omaly ihany no natolotra ny Fampanoavana izy 11 lahy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser