
Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa voarohirohy tamin’ny fanodinkodinam-bola ny tompon’andraikitry ny tsenambaro-panjakana teo anivon’ny faritra Analamanga nandritra ny fitondràn’ny governora Hery Rasoamaromaka. Raha ny fantatra dia tsy fandoavana ny volan’ny orinasa nanatontosa ny fanamboarana ny Lake Iarivo Village, izay fantatra amin’ny hoe « Building Mora », no tena antony. Nitory araka izany ny tompon’andraikitry ny orinasa ary nisy ny fanadihadiana nisokatra izay naha-voasaringotra ny PRMP. Ary tsy izy ihany, satria tafiditra tao anatin’ny fanenjehana ara-pitsaràna koa ny governera teo aloha Hery Rasoamaromaka. Saingy io farany dia efa tsy eto an-toerana intsony. Ilay PRMP araka izany no tratra farany hatreto. Na izany aza dia efa mandeha ny mety ho famoahana didy iraisam-pirenena hanenjehana azy. Mitohy araka izany ny fanenjehana ireo mpanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ary tena andrandrain’ny maro ny fanenjehana ireo tsimatimanota teo aloha.
D.R





Loza koa izany an, ary mety betsaka no situation ôtran ‘io fa tena mila mahitsy tsara ny mpanao audit sns sns
Asa loatra marina izay mahazo antsika gasy ,fa izay manana fahefana sy toerana ambony dia vitsy dia vitsy ny miasa amin’ny fahamarinana ,fa tsy maintsy miafara amin’ny fanodinana ireo vola tokony hanasoavana ny vahoaka sy hahavitana ny asa