- Publicité -
samedi, janvier 17, 2026
AccueilFaits-DiversAnosizato : Roa lahy nitondra basy tsy nisy taratasy

Anosizato : Roa lahy nitondra basy tsy nisy taratasy

Nanao taingin-droa tamin’ny moto. Tsy nisy olana akory saingy raha nandalo teo amin’ny polisy misahana ny fifamoivoizana tetsy Anosizato dia mailo be ary nitsoaka nirifitra ary nandeha « sens interdit ». Teo no nanaitra ireo mpitandro ny filaminana izay nanao ny fanenjehana. Rehefa azo ka nosavaina dia nahitàna poleta teny amin’izy ireo ary koa rongony. Tsy nisy taratasy ara-dalàna ny basy. Na ny taratasy fahazoan-dàlana hitazona fitaovam-piadiana na ny taratasy fahazoana mampiasa izany dia samy tsy nisy avokoa. Nentina eny amin’ny biraon’ny polisy arak’izany ary nanokafana fanadihadiana. Mpivarotra basy ve ireto sa kosa jiolahy saika hanafika? Mety azo eritreretina avokoa izany rehetra izany ary inoana fa tsy maintsy mizotra amin’izany ny fanadihadian’ny polisy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici