- Publicité -
samedi, janvier 17, 2026
AccueilFaits-DiversOrinasa tetsy Talatamaty : Nentin’ny « coursier » nitsoaka ny 50 tapitrisa Ariary

Orinasa tetsy Talatamaty : Nentin’ny « coursier » nitsoaka ny 50 tapitrisa Ariary

Efa mpiasa mahatoky amin’ny irakiraka rehetra tao am-piasana ity lehilahy ity. Ny andron’ny talata teo dia nasaina naka vola tany amin’ny banky izy. Saingy tany dia tsy hita niaraka tamin’ny vola sy ny môtô. Lehilahy iray, mpiasa irakirakira teo anivon’ny orinasa iray tesy Fitrohafana Talatamaty no voatery nosamborin’ny zandary, noho ny resaka halatra vola tao amin’ity orinasa ity, ny alarobia teo, teny amin’ny faritra Ankadikely iny. Raha ny voalaza dia vola manodidina ny dimampolo tapitrisa Ariary no lasany tamin’io fotoana io, niaraka tamin’ny fitaovam-pitaterana fitondrany miasa. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary dia andro iray talohan’io nisamborana azy io izy no tsy hita sy namono finday, rehefa avy nandefa hafatra tamin’ny lehibeny fa hoe « lasan’ny mpitandro filaminana ilay vola tety amiko fa tsy mazava hono ». Mazava ho azy fa nametraka fitoriana avy hatrany ny orinasa ary nanomboka teo ny fikarohana azy. Tsy niandry ela fa hita niriaria teny amin’io toerana voalaza etsy ambony io ranamana, izay mbola niaraka tamin’ilay môtôn-ny mpampiasa azy. Nosamborina avy hatrany ary nentina notanana avy hatrany teny amin’ny biraon’ny zandary teny Mandrosoa ingahy ho amin’ny famotorana azy. Fantatra tamin’io fotoana io moa fa tsy nisy akory ilay « mpitandro filaminana naka ilay vola » fa izy ihany no naka ilay izy ary nampiasa izany ho azy. Vola dimy hetsy sy dimy tapitrisa Ariary teo sisa no lelavola hita tany aminy. Ny telopolo tapitrisa nampidiriny tao anaty finday, ny ambiny nividianany môtô, nanamboarana trano, nandoavana saram-pianaran’ny zanany ary nanaovany fiainany, hoy ny zandary. Rehefa voamarina moa dia naverina tamin’ny tompony ny vola sy ny entana. Ingahy kosa dia hatolotra ny fitsaràna, taorian’ny fakàna am-bavany azy, raha ny voalaza hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici