Zava-maniry sokajiana ho azo hitsaboana sy mahasitrana aretina maro ny « allamanda » ary voalaza fa efa betsaka ireo nijoro vavolombelona tamin’izany, araka ny nambaran’ny fikambanana « allamanda mada ». Fikambanana izay miezaka mampahafantatra ny vokatsoa azo avy amin’izany zava-maniry izany eto amintsika. Omaly, nisy ny fizaràna maimaim-poana ity karazan-java-maniry ity tetsy Analamahitsy, ho an’ny teto an-drenivohitra sy ny tany amin’ny faritra izay tonga teto. Nanampy betsaka tamin’izany ny fikambanana Tsoa Ray Manavo na TRM, izay notarihan’Atoa Rahasimbola Ndriantsoa, Filoha mpanorina azy. « Mahatsapa izahay fa zo fototra ho an’ny rehetra ny fahasalamana ary tokony hisitraka izany ny tsirairay. Ny fikambanana izay tarihiko dia manana tanjona sy vina ho amin’ny fampiharana ny zon’olombelona, ny fanajàna ny tontolo iainana, ny fanjakàna tsara tantana sy tany tan-dalàna, ny demôkrasia, ny tanora sy ny fanabeazana. Izany indrindra no nanosika anay, hanampy ny « Allamanda mada » amin’izao hetsika ataon’izy ireo izao ». Nanazava ity Filohan’ny TRM ity fa manan-karena zava-boahary mitondra vokatsoa raha i Madagasikara. Efa tsy zoviana amin’ny rehetra izany, hoy izy. Ny tokony atao dia ny fiezahan’ny rehetra hikolokolo sy hanabe voa ary hanome hasina azy ireny.
Amin’ny fananan’ity fikambanana TRM ity, tanjona sy vina amin’ny sehatra marolafy tokoa dia tsy manao ambanin-javatra ny serasera izy ireo. Fantatra fa manana tranonkala manokana manome vaovao sy ahafahana mifandray ary mampahafantatra ny zavatra ataon’izy ireo izany fikambanana izany, dia ny « www.trm.mg ». Ny dikan’ny hoe Tsoa Ray Manavo dia hoe tso-drano avy amin’ny Ray, ilay Mpahary, mba hitondra fifanomezan-tanana, fifanampiana ho an’ny mpiara-belona, araka ny fanazavana nentin’ity Filohany ity hatrany.
m.L


