
Tontosa tamim-piralahiana ny famindram-pitantanana teo amin’ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena eto Vakinankaratra Atoa Herimalala Anjarasoa tale teo aloha sy Atoa Rakotomalala Andriamihaja tale vaovao mpisolo toerana ny datin’ny 12 janoary 2026 lasa teo. Raha ny marimarina kokoa, tsy vaovao amin’ity toerana ity ny tale mpisolo toerana fa efa nitazona izany andraikitra izany ary efa talem-paritry ny fitanterana sy ny famantarana ny toetr’andro teto Vakinankaratra ihany koa. Tao amin’ny antoko Jeune AVI no tena namantarana azy raha toa ka TGV mafana fo kosa ny tale teo aloha.
Andry N.


