- Publicité -
mercredi, janvier 21, 2026
AccueilFaits-DiversRN7 : Mamo nijapy kamiao, maty voahitsaka

RN7 : Mamo nijapy kamiao, maty voahitsaka

Avy nijery baolina ireo olona. Nahita kamiao nandalo teo Ikelivozona izy ireo ary nijapy izany. Tsy hitan’ny mpamily akory izay zava-niseho tao aoriana teo. Ny iray, izay mamo raha araka ny tatitry ny mpitandro ny filaminana, dia tsy tafiakatra fa nisosa tamin’ny tany. Teo no voahitsaky ny kodiarana aoriana ary tsy tompon’ny tenany avy hatrany. Ny kamiao dia nanohy ny làlany hatrany satria tena tsy fantatry ny mpamily izay zava-niseho. Nisy nampilaza ny zandary ary rehefa tonga teny an-toerana dia rà mandriaka no hitan’izy ireo. Noezahina nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ihany ilay rangahy izay mbola nisy aina kely saingy teny an-dàlana dia maty ihany. Efa tany aloha tany vao nisy nampandre ny tao anaty kamiao ary niverina namonjy ny zandary ny mpamily raha vao nahafantatra ny zava-nitranga. Tsy azony an’eritreritra ny fahafatesana tao aorian’ny fiara izay nentiny. Teo amin’ny manodidina an’I Sambaina-Antsirabe II no nitranga ny loza ny harivan’ny alahady teo. Inona ny olana raha nosakanana ny kamiao ary nifampiraharahana mba hitondra ny olona? Indraindray dia mampieritreritra ny amin’ny hoe efa zatra tandrametaka loatra ny olona, indrindra any ambanivohitra any. Fiara mandeha no japiana dia tsy tenenina akory ny mpamily…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter