Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nandray fanapahan-kevitra ny hampiditra azy ireo am-ponja vonjimaika ny mpitsara mpanao famotorana. Mpampianatra tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra tao Ambositra iray ary mpampianatra tao amin’ny CEG ny iray. Samy mpianatra avokoa nataon’izy ireo lasibatra teto.
Ny 15 janoary lasa teo no niseho ity tranga ity tao amin’ny toerana antsoina hoe Nord Caserne, ao an-tampon-tanan’Ambositra. Araka ny angom-baovao azo dia zazavavy kely vao 10 taona monja no lasibatra teto, mpianatra ao amin’ny Epp Andriamanalina. Ary tsy iza ny nahavanon-doza fa ny mpampianatra azy ihany. Taorian’ny zava-doza nataon’ity lehilahy ity dia norahonany tsy hiteny tamin’iza na tamin’izay ilay zaza, araka ny vaovao azo, saingy taty aoriana rehefa nitaraina ho narary foana dia nipoitra ihany ny marina. Nosamborina avy hatrany ingahy mpampianatra ary nentiny natao famotorana. Niaiky rahateo ny ratsy nataony ingahy, tamin’ny fakàna am-bavany azy. Natolotra ny Fampanoavana, ny talata lasa teo ary io naboka am-ponja vonjimaika io.
Fa ankoatra ity tao Ambositra ity dia tovovavy iray, 17 taona ihany koa no lasibatra ny fanolanana tao Manandriana. Mpianatra tao amin’ny Lycée Ambohimahazo ity tovovavy ity ary voalaza fa nisy naka an-keriny sy nanolana. Nitondra vohoka noho izany herisetra ara-nofo nihatra taminy izany ity mpianatra ity ary nanapa-kevitry ny hitory ny fianakaviana. Anisan’ireo olona voarohirohy tamin’izany ny lehilahy iray, mpampianatra tao amin’ny CEG Soatanana, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Nosamborin’ny pôlisy avy hatrany moa ingahy ary natolotra ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona tany an-toerana, ho amin’ny fanadihadiana azy. Ny alarobia teo izy no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary io nadoboka am-ponja vonjimaika io.
Anisan’ny mampirongatra ity herisetra ara-nofo mihatra amin’ny zaza sy ny tanora ity ny fahanginan’ireo niharam-boina na ny manodidina azy. Noho ny tahotra, noho ny hena-maso, miampy ny fampihorohoroan’ireo olon-dratsy sy ny sisa. Hany ka vao maika miha-mahazo vahana izy ireo. Manentana ny rehetra hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hitoroka sy hampilaza avy hatrany eny anivon’ny mpitandro filaminana raha misy tranga mampiahiahy
m.L


