Horohoron-tany nahery vaika no niseho tao amin’ny faritra Itasy ny marainan’ny asabotsy teo, ka nahatonga fahasimbana tamin’ny trano sy nandratra olona iray, araka ny tatitra ofisialy navoakan’ny Zandarimaria – Brigade Soavinandriana. Araka ny fanazavana azo, tao amin’ny kaominina Soavinandriana, fokontany Avaratsena, no nifantohan’ny horohoron-tany. Nahatsapa fihovitrovitra mahery vaika ny mponina teny an-toerana, ka maro no nivoaka tampoka ny trano noho ny tahotra sao misy firodanana. Vokatr’ilay horohoron-tany, trano miisa roa no niharan-doza. Ny trano iray efa nipetrahan’olona dia nirodana ny ampahany amin’ny tataon-drihana sy ny “chaînage en béton” manarona ny tafo. Raha ny trano faharoa kosa, izay mbola eo am-panamboarana, dia potika ny rafitra biriky sy ny “coffrage” mitondra ny “linteau”, ka tsy maintsy najanona avy hatrany ny asa fanorenana. Nandritra izany loza izany, nisy zaza iray naratra mafy rehefa nianjeran’ny ampahany tamin’ny trano. Araka ny tatitra, tapaka ny tanany ary voadona mafy ny lohany, ka nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana akaiky izy mba hotsaboina maika. Nambaran’ny mpitsabo fa mbola arahi-maso akaiky ny toe-pahasalamany. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Zandarimaria – Brigade Soavinandriana, notohanan’ny Compagnie Miarinarivo sy ny Groupement Itasy, nijery ifotony ny fahasimbana sy nanao fanadihadiana voalohany. Efa noraisina an-tanana ihany koa ny fanisana ireo trano mety mbola marefo sy atahorana hirodana indray raha misy fihovitrovitra fanampiny. Nanao antso fampitandremana ho an’ny mponina ny tompon’andraikitry ny filaminana ary nampatsiahy ny fepetra fiarovana rehefa misy horohoron-tany, toy ny fialàna lavitra ny rindrina sy ny trano marefo, ny fandehanana any amin’ny toerana malalaka, na koa ny fisitrihana ambany latabatra na fandriana mba hiarovana ny tena amin’ny zavatra mety hianjera. Nanentana ihany koa ny manam-pahefana ny tompon-trano sy ny mpanao fanorenana mba hanaja tsara ny fenitra ara-teknika amin’ny fanamboarana trano, indrindra amin’ny faritra ahiana hisian’ny horohoron-tany, hisorohana ny fatiantoka ara-pananana sy ny fahavoazana amin’ny aina. Hatramin’izao dia mbola mitohy ny fanaraha-maso ny zava-misy eny an-toerana, ary miandry ny tatitra ofisialy feno momba ny herin’ilay horohoron-tany sy ny mety ho vokany fanampiny ny rehetra.
D.R


