Jiolahy raindahiny telo no maty voatifitry ny polisim-pirenena nandritra ny fisafoana nataon’ny vondron’ny UIR, ny marainan’by asabotsy teo, teny amin’ny faritra 67 ha. Nirefodrefotra ny basy. Araka ny fanazavana nomen’ny polisy, nanao fanamiana sivily ireo mpitandro filaminana nandritra ny asa fisafoana sy fanaraha-maso teny an-toerana. Noheverin’ireo jiolahy ho olon-tsotra ireo polisy nanao sivily, ka nikasa hanendaka azy ireo. Raha vao fantatr’ireo olon-dratsy anefa fa mpitandro filaminana no nifanehitra taminy, dia tsy nisalasala nitifitra izy ireo sady nandositra, ka raikitra avy hatrany ny fifanenjehana sy ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Nandritra izany fifanenjehana izany, telo tamin’ireo jiolahy no lavo voatifitra, raha tafaporitsaka kosa ny roa ambiny izay mbola karohin’ny mpanao fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Taorian’ny fifampitifirana nahitana dia hita ny basy nampiasain’ny jiolahy. Tavela teny an-toerana ny basy poleta iray mbola mifahana sy misy bala telo ary koa antsy maranitra iray izay fa nampiasain’ireo jiolahy tamin’ny asa fanendahana. Ireo fitaovam-piadiana ireo dia nogiazana avy hatrany ary hatao porofo eny amin’ny fitsaràna. Nampanantena ny polisy fa mbola hohamafisina ny fisafoana sy ny hetsika fampandriana fahalemana eny amin’ny faritra 67 Ha sy ny manodidina, indrindra amin’ny ora be mpivezivezy sy amin’ny alina. Mbola misy rahateo ny tafatsoaka tao anatin’ity andian-jiolahy izay nitam-basy ity. Manao antso amin’ny mponina ihany koa ny mpitandro filaminana mba hifanome tanana amin’izy ireo, indrindra amin’ny fampandrenesana sy ny fampitam-baovao haingana raha vao mahafanta-javatra momba ny olon-dratsy.
D.R


