- Publicité -
mardi, janvier 27, 2026
AccueilFaits-DiversAndilamena : Ankizivavy mpianatry ny CEG naka ankeriny zaza iray

Andilamena : Ankizivavy mpianatry ny CEG naka ankeriny zaza iray

Kely dia efa dia efa manao asa ratsy sahady. Ankizivavy miisa efatra samy tsy ampy taona, mpianatra amina CEG any Andilamena, voatazona am-ponja vonjimaika ao Ambatondrazaka noho ny fakana an-keriny zaza iray izy ireo. Nitaky vola ho takalon’ny famotsorana azy ihany koa ireto ankizy. Rehefa tsy hita Ilay Zaza nalainy an-keriny io dia nametraka fitarainana teny amin’ny mpitandro filaminana ny fianakaviana. Nandeha avy hatrany ny fikarohana ka fantatra ny momba ireo ankizivavy naka azy. Natao vela-pandrika ka tratra ireo. Voalaza fa misy kiraro mitentina 100 000 Ariary sy lamaody hafa tian’izy ireo ho vidiana sy hoentina amin’ny fetin’ny mpianatra ka izay no antony nanaovan’izy ireo izany fakàna an-keriny izany. Mandeha ny fanadihadiana ka miandry ny fanolorana azy ny fitsarana ireo ankizivavy. Endrika iray mampiseho ny fivoaran’ny toe-tsain’ny ankizy na ny tanora izao. Ny anjara toeran’ny fanabeazana. Aiza ho aiza ny andraikitry ny sekoly, ny ray amandreny amin’ny toe-javatra tahaka izao ? Ny tambazotra sosialy sy ny sarimihetsika no manefy ny hoavin’ny tanora malagasy. Manginy fotsiny ny sary video mamoafady miparitaka amin’ny tambajotra sosialy. Mila fepetra apetraky ny fanjakana ny raharaha toy izao. Na izany aza, avotra soamantsara ilay zaza.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter